Nihaona tamin’ny mpikambana Tim ao amin’ny boriborintany fahefatra tao amin’ny “Espace Mahatazana” Fort Voyron etsy Ambohijanahary omaly i Neny Ravalomanana
. Nanotrona azy teny ny depiote voafidy tao amin’ny boriborintany IV sy ny lehiben’ny distim ary ny delegen’ny boriborintany. Faly izy nahita ireo mpikambana maro be tonga tao. Nanafatra izy mba tsy handrafy ny mpifanandrina fa hiezaka handefitra mandrakariva. Mivavaha ho an’ny fahavalonao ary aza mitsara an’iza na iza fa ao Andriamanitra mahalala izany. Raha sitrapon’Andriamanitra ben’ny tanàna aho dia sitrako raha mahalala an’Andriamanitra ny vahoakako, hoy izy. Nambarany ihany koa fa tena ilaina ny fanantenana. Be fanantenana tokoa ireo zanany nanatrika tao ary nitangorona niara-naka sary taminy.
Rabeso
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.