Politique

Lalao Ravalomanana Miantso fitoniana


  • Talata 21 Oktobra 2014

“Amin’ny maha reny ahy ary amin’ny fo feno fahendrena sy fandeferana no hanaovako antso avo amin’ny fitondram-panjakana mba hifanatona sy hifampiresaka”. Io no anisan’ny teny nambaran-dRtoa Lalao Ravalomanana teny amin’ny trano fonenany Faravohitra omaly

Nangataka ihany koa ny tenany amin’ireo fikambanana maro misy eto amin’ny firenena toy ny fiangonana sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary ny Malagasy rehetra mba ho tony amin’ny toe-draharaha misy ka hahay hifanaja sy hifampihaino. Fotoanan’ny fifanatonana izao, hoy hatrany izy ary tokony samy hahay hifamela ny tsirairay. Nilaza hatrany izy fa tokony hirosoana amin’izay ny fifamelan-keloka ary haverina ny soatoavina maha Malagasy dia ny fihavanana izany. Tsara raha hitodihana amin’izay ny tombontsoa ambonin’ny firenena mialoha ny zava-drehetra satria ny fahantrana irery ihany no tena fahavalon’ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Notsindriany fa tokony hifanome tanana amin’izay ny  rehetra mba hampandroso an’i Madagasikara satria ny miasa miaraka no fahombiazana.  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT