Politique

Lalao Ravalomanana Mampihatra sahady ny 3M


  • Zoma 25 Septambra 2015

Miainga sahady ny sakantsakana avy amin’ny fanjakana foibe amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana milaza ny tsy fahafahan’ny ben’ny tanàna miroso avy hatrany amin’ny famindram-pahefana raha tsy nahazo «notification» na taratasy fampahafantarana avy amin’ny prefektiora izay mitsinjara izany amin’ireo lehiben’ny distrika

 

. Tsy nahasakana ny ben’ny tanàna vaovaon’Antananarivo Renivohitra Neny Lalao Ravalomanana tsy hampihatra avy hatrany ny fifehezana ireo asa takiana amin’ny mpitantana kaominina anefa izany.

Mahalala, Mahay, Mahavita

Nisantarany ny andraikitra makadiry miandry azy omaly ny famangiana ny Lapan’ny tanàna eny Analakely. Fijerena amin’ny ankapobeny ny tsara ho fantatra rehetra eo anivon’ny toeram-piasana moa no anton-dian’i Neny sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety. Ankoatra ny fitsidihana an’ireo efitrano maro notarihan’ny filohan’ny delegasionina manokana an’Antananarivo Renivohitra ny kolonely Ramiaramanana Joseph dia efa nanomboka ihany koa ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta. Nifanaraka rahateo ny an-daniny sy ny an-kilany amin’ny hanohizana anio ny fampahafantarana ny zava-misy eny ifotony ao anatin’ireo boriborintany 6 mandrafitra ny renivohitr’i Madagasikara. Eo am-panatontosana sahady ny dingana voalohany amin’ireo toetra telo hananan’ny ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara hitondrana ny fampandrosoana ifotony eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ankehitriny i Neny Lalao Ravalomanana dia ny fiezahana hahalala ilay tontolo manodidina midadasika iasany, araka ny fampiofanana efa natrehan’izy ireo nandritra ny kongresy nasionalin’ny antoko TIM ny volana mey 2015. Tsy maintsy hirosoana manaraka avy eo ny fahaizana mifehy ireo sehatra samihafa mifandray amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina izay miafara amin’ny fanatontosana an-tsakany sy an-davany ny asa tsara mifanaraka amin’ny filan’ny fiarahamonina.

Ramano F.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT