Na dia nangingina indray aza ny resaka fifidianana tato ho ato izay dia tsy maty ao an-tsain’ny olona hatrany ireo kandida manana ny maha izy azy.
Araka ny fanadihadiana tsotsotra natao dia mbola tena tsara toerana ho kandida amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra Rtoa Lalao Ravalomanana, ary na ho kandida filoham-pirenena aza izy dia tena ho mora ho azy ny handrombaka ny fandresena, raha ny hevitry ny olona nohadihadiana. Ireo mpamakafaka politika ihany koa dia mahatsapa fa mbola tena manana ny toerany eo amin’ny tontolo politika Rtoa Lalao Ravalomanana ary afaka tsara mambabo ny fon’ny vahoaka izay efa fanina tanteraka noho ny fomba ratsin’ireo mpanao politika, tsy menatra akory mamadika palitao ao anatin’ny fotoana fohy. Eo ihany koa ireo be resaka kanefa rehefa mahazo fahefana tsy hita akory izay zava-bitany. Fa anisan’ny tombony lehibe ho an’i Lalao Ravalomanana ny maha vehivavy azy, izy koa anefa efa fantatra fa nitantana nandritra ny taona maro ny orinasa anisan’izay lehibe sy natanjaka indrindra taty amin’ny kaontinanta Afrikanina, ary mbola tombony lehibe ho azy ny naha vadina filoham-pirenena teo aloha azy. Samy manana ny fomba fijeriny sy ny fandinihany ny zava-misy moa, fa ny azo antoka aloha dia tena ho mora ho an’i Neny ny handrombaka ny fandresena amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, ka mety ho izay no nahatonga ny sasany hitady paikady hafa ka hizara ny renivohitra ho enina. Ary raha mbola fifidianana mahasahana an’i Madagasikara aza dia mbola tsara toerana ihany izy ary vao ny sabotsy lasa teo no nanamafy izany Atoa Marc Ravalomanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.