Tontosa omaly talata tamin’ny 12 ora sy sasany antoandro ihany ny famindram-pahefana teo amin’ny PDS Joseph Ramiaramanana sy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, teo anatrehan’ny solontenan’ny prefektiora.
Nisaotra ireo mpiara-miasa taminy ny PDS ary nirary soa an-dRamatoa ben’ny tanàna mba hahavita be. Tsy fotoan’ny resaka intsony kosa izao fa fotoan’ny asa, hoy Rtoa Lalao Ravalomanana. Fanombohana fotsiny ihany no natao teo fa izao isika vao tena hampiseho firaisankina, firaisan-tsaina sy fifankatiavana, indrindra fa ny fitiavana hanarina an’Antananarivo mba ho reharehan’i Madagasikara, hoy izy.
Ireo asa tena maika
Notsindrian’ny ben’ny tanàna ny tsy maintsy hanajana ny lalàna sy ny fitsipi-pifehezana ary ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Fantatra fa laharampahamehana maika ny fijerena manokana ny sosialim-bahoaka sy ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoan’ny orana izay efa ho avy amin’ity volana oktobra ity. Hojerena sy hokarakaraina manokana ny eny amin’ny faritra iva satria mitondra faisana isaky ny miakatra ny rano. Manana paikady ho amin’izany ny ben’ny tanàna ary ho avy ny asa mifandraika amin’io. Tsy maintsy hisy ny fepetra horaisina ny amin’ireo fanotofana tany tsy ara-dalàna, eo ihany koa ny famahana ny olana amin’ny tatatra sy ny lakandrano tsentsina etsy sy eroa eto an-drenivohitra. Asa maika ho an’ny ben’ny tanàna vaovao ihany koa ny fitsinjovana manokana ny ankizy mpianatra eto an-drenivohitra ka hametrahana ny « cantine scolaire » izay efa fampanantenany tamin’ny propagandy ary izao hotanterahany izao.
Miasa tsara, miasa mafy, miasa miaraka
Ny vahoaka manantena ary izaho vonona, hoy i Lalao Ravalomanana omaly. Efa tena sahirana sy mahantra ny vahoaka ka tsy maintsy hojerena akaiky miaraka amin’ny asa ny fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Mila miasa miaraka isika, hoy i Neny miasa tsara ary miasa mafy. Atao am-pitiavana anefa izany rehetra izany. Efa fantatra ary nojerena ifotony nandritra ny fampielezan-kevitra ny zava-misy isaky ny boriborintany sy ny fokontany. Fantatra tsara ihany koa ny hetahetan’ny mponina eto an-drenivohitra sy ireo zavatra manahirana azy. Manana fandaharanasa sy paikady ho amin’izany ny ben’ny tanàna ary tonga amin’izay ankehitriny ny fotoana hampiharana azy io. Tsy adinon’i Neny Ravalomanana moa ny nisaotra sy nidera an’Andriamanitra satria izy no mahay mandamina ny zava-drehetra. Tsy maintsy mbola ho avy ny arôzazy isaky ny boriborintany, hoy i Neny omaly, ary avadika asa amin’izay ilay fiaraha-mientana naseho tamin’ny propagandy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.