Ny sabotsy antoandro teo no tafaverina teto an-drenivohitra rehefa avy nitsidika an’i Dada tany Antsiranana , Rtoa vadiny Lalao Ravalomanana sy ny delegasionina niara-dia taminy. Tao anatin’izany ny zanany lahihaivo Tojo Ravalomanana, teo koa i Guy Rivo Andrianarisoa, sy mpitsabo manokan’ny fianakaviana
. Raha araka ny fampitam-baovao voaray alina dia hisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety hotanterahan’ny fianakaviana Ravalomanana eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra anio manomboka amin’ny 11 ora maraina, ka mandritra izany no hahafantarana misimisy kokoa ny zava-misy marina any Antsiranana.
Hosamborina fa manelingelina ?
Inoana fa hilaza ny heviny momba ny zava-nitranga ny sabotsy teo teto an-drenivohitra ihany koa izay handaha-teny eny Faravohitra anio satria, nibaribary indray fa tsy voahaja ny demokrasia eto amintsika.Tsy navela ny hanao tatitra amin’ny vahoaka ireo solombavambahoaka, nosakanana tsy navela haneho ny heviny an-kalalahana ny olona, tsy azo nifampiresahana satria milaza fa efa nahazo baiko handrava izay fivoriana misy eny an-dalambe ny mpitandro ny filaminana. Tsy rariny ny zavatra atao amin’i Dada, hoy Rtoa Lalao Ravalomanana ny zoma lasa teo, tsy voahaja ny demokrasia ary niantso ny Malagasy ho sahy hijoro sy hanohitra ny tsy rariny, sy hiaro ny firenena izy. Maro be ny feo nandeha taorian’iny fanambarana mivantana tamin’ny onjampeo nataony iny, sy ny ampitso sabotsy rehefa nidina an-dalambe ireo zanak’i Dada. Mandeha ny siosion-dresaka fa mety hosamborina ihany koa ka hatoka-monina tahaka ny vadiny, Rtoa Lalao Ravalomanana, satria ambara fa niantso ny olona hikomy amin’ny fitondrana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.