Politique

Lalao Ravalomanana Hitsidika birao anio


  • Talata 22 Septambra 2015

Hotantehina ato anatin’ny 48ora ny famindram-pahefana eo amin’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo, ny kolonely Ramiaramanana Joseph sy ny Ben’ny tanàna vaovao voafidim-bahoaka Lalao Ravalomanana.

 


Efa tsindrin-daona be ihany ny rehetra taorian’ny nanambaran’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ny voka-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana kaominaly teto an-drenivohitra ka nanambarana ampahibemaso fa voafidy ho Ben’ny tanànan’Antananarivo i Neny Lalao Ravalomanana, hoe rahoviana no handraisan’i Neny ny fitantanana ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Raha ny feo nandeha tamin’ny faran’ny herinandro dia amin’ity anio ity no nokasaina hanatanterahana ny famindram-pahefana. Efa samy milaza ho vonona ny hiroso amin’izany rahateo na ny ao Analakely na ny eny Faravohitra. Omaly dia efa tsy niatrika fananganan-tsaina fanao isaky ny alatsinainy intsony ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo, ny kolonely Ramiaramanana Joseph, fa ny Talen’ny kabinetrany Dr Raharinandrasana Hajatiana no niaraka tamin’ny mpiasa, sady nanome toromarika ireo tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ny Kaominina hiomana amin’ny famindram-pahefana.

Araka ny loharanom-baovao akaiky an’i Faravohitra indray dia hotontosaina alohan’ny alakamisy izao io famindram-pahefana io. Hifanantona ny andaniny sy ny ankilany handaminana an’izany. Mety hisy anio, ao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny fihaonana mivantana eo amin’ny PDS Ramiaramanana sy ny Ben’ny tanàna Neny Lalao Ravalomanana, ka amin’izay no hamaritra ny tohiny.


Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT