Politique

Lalao Ravalomanana « Hanarina an’Antananarivo aho »


  • Alatsinainy 18 Mey 2015

Fitiavana, fiaraha-miasa, fanarenana, fo madio…! Ireo no anisan’ny teny nanamarika ny fihaonana voalohany nataon-dRamatoa Lalao Ravalomanana tamin’nympanao gazety teny Faravohitra amin’ny maha kandida ben’ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra azy

 

. Na dia heverin’ny maro aza fa olom-baovao eo amin’ny tontolo politika i Neny dia tsapa kosa fa efa tena mahay miresaka izy, manana foto-kevitra ijoroana mazava tsara ary tahaka ny vadiny dia hainy ny mifanerasera amin’ny rehetra sy ny mampiasa ny serasera hampitana ny heviny. Nametraka hafatra hendry sady mazava ny kandidan’ny Tiako i Madagasikara. Tsy fitiavana ny miady hoy izy, firenena sy tanindrazana iombonana i Madagasikara, ary nahoana moa ny ben’ny tanàna no tsy afaka hiara-kiasa amin’ny mpitondra ?

Manana ny maha izy azy

Tsy manana olana amin’ireo kandida 9 hafa hifaninana aminy i Lalao Ravalomanana. « Tsy maninona rehefa mitondra fitiavana sy fanarenana. Raha lany aho dia mahafinaritra ahy ny hiara-kiasa amin’izay mazoto hanarina an’Antananarivo. Faniriana foana ny an’ny olombelona fa trotroy am-bavaka. Am-pitiavana tanteraka no hiasako miaraka amin’ny olona rehetra ary amin’ny foko manontolo no tiako hanarenana an’Antananarivo », hoy izy. Nanamarika i Neny fa tsy hoe vao izao izy akory no miditra amin’ny tontolo politika fa efa hatry ny ela satria teo anilan’Atoa Marc Ravalomanana hatrany izy na tamin’ity farany Ben’ny tanàna (1999-2001) na nandritra ny naha filoham-pirenena azy (2001-2009). Izy rahateo dia efa niomana ho filoham-pirenena tamin’ny 2013 saingy nokarohana moa ny fomba rehetra nanilihana azy. Midika izany fa tsy olonolom-poana Rtoa Lalao Ravalomanana fa tena tonga amin’ilay fomba fiteny hoe : mahalala, mahay ary mahavita.

Mahavita azy ny vehivavy

Manitikitika ny maro ary fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tamin’i Neny ny sabotsy teo teny Faravohitra ny hoe:raha lany soa aman-tsara ianao, sao dia tsy ianao no ho Ben’ny fa rangahy vadinao, na koa hiantehitra aminy ianao amin’ny fitantanana ? Tsotra sady mazava ny valin-tenin-dRamatoa Lalao Ravalomanana : “ny vehivavy dia manana hevitra tsara kokoa noho ny lehilahy rehefa fampandrosoana, fandaminana no atao, mitovy amin’ny tokantrano ihany io. Ao an-tokantrano rehefa misy ny zavatra mikorontana dia ny vehivavy no mahavita mandamina kokoa noho ny lehilahy. Vonona aho ary manana hevitra hitondrana azy. Izaho koa dia manana mpanolotsaina miaraka amiko ary mety mifanohana ihany koa izahay mivady”. Mitondra fomba fijery sy toe-tsaina vaovao ny kandidan’ny TIM eto Iarivo. “Maninona moa no ny ratsy foana no hita kanefa betsaka  ny zavatra  tsara ? Izay no mahatonga ahy ho maodely amin’ny fiteny, fitondran-tena ary amin’ny fandresen-dahatra”, hoy izy.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT