Niditra an-tsehatra nandamina ny famindra-pahefana amin’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo renivohitra omaly hariva ny ministeran’ny atitany, nampanantsoina teny Anosy ny prefen’Antananarivo sy ny PDS
.Nomena an-dRamatoa Lalao Ravalomanana sy ny kolonely Joseph Ramiaramanana ihany koa ilay « notification » ofisialy an-taratasy nahabe adihevitra, ka tsy tokony hisy intsony ny olana amin’ny fanatanterahana ny famindram-pahefana,hoy ny minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Narirarira
Izay izany vao tena voaray ny taratasy ara-panjakana,nanazava moa ny tao amin’ny prefektiora fa hoe tamin’ny zoma 2 oktobra lasa teo,hono ry zareo vao nahazo ny taratasin’ny didim-pitsarana avy any amin’ny fitsarana misahana ny fifidianana, ka tsy afaka nanao na inona na inona intsony ny sabotsy satria andro tsy fiasana ka tsy nisy ny birao nisokatra.NY mahagaga voalohany amin’ity resaka ity dia ny hoe :fa nahoana ary no tsy nilaza mazava,nanao serasera matotra ny tao amin’ny prefektiora na ny ministeran’ny atitany hatrizay fa nanao valy boraingina fotsiny hoe miandry « notification » vao mahazo manao famindram-pahefana, ary manaraka ny kipitsopitsony rehetra.Zava-mahagaga faharoa dia ny hoe :efa tamin’ny 18 septambra 2015 no nivoaka ny didim-pitsarana nanambara fa voafidy ho ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana ka nahoana moa no efa aty amin’ny 2 oktobra vao navoaka ny taratasy mifandraika amin’izany, dia tsy maintsy notaperina mihitsy ve ilay fe-potoana 15 andro, fa inona no antony ?Kanefa efa hita izao fa maika ny asa fanarenana ny renivohitra .
Kibay an-kelika
Maro ireo mpandinika ny raharaha politika mahita sahady fa efa fambara ny mety hisian’ny antsojay atao amin’ny ben’ny tanànan’ny renivohitr’i Gasikara izao fampifilafilana mialoha ny famindram-pahefana izao.Milaza fa tsy miady,tsy miady ny sasany kanefa ny kibay an-kelika ihany…Tsy iadian-kevitra fa tsy levon’ny vavonin’ny HVM ny naharesy azy teto Antananarivo, ary maro amin’ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity antokon’ny fitondrana ity no matahotra mafy an’io Neny lasa ben’ny tanàna io,sao hiverina indray ny tantara.Efa tena mazava tsara anefa ny tanjona ho an’i Lalao Ravalomanana dia ny fanarenana ny tanànan’Antananarivo sy ny fanatsarana ny fiainan’ireo mponina ao aminy, asa fa tsy kabary ny azy, ary izay nampanantenaina dia tsy maintsy tanterahana.Asa na mba mihevitra izany hahasoa ny tanàna sy ny vahoaka ihany ny fitondrana foibe na maika fotsiny hiaro ny sezany amin’ny alalan’ny fikarohana ny fomba rehetra hifehezana ny ben’ny tanàna mba tsy hisongadina loatra !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.