Tonga any Antsiranana omaly antoandro rehefa nandeha sidin’ny Air Madagascar Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy iray. Efa any an-toerana nizotra tamin’ny fiarakodia koa ny zanany lahy Tojo Ravalomanana mivady
Omaly ihany izy ireo dia efa nitsidika ny filoha Ravalomanana tao amin’ny “Amirauté”. Naharitra ny fihaonana. Fanintelon’ny dia ataon’ny fianakaviana Ravalomanana any Antsiranana io hatramin’ny 14 oktobra 2014 nisamboran’ny fitondram-panjakana ny filoha Marc Ravalomanana ka nametrahana ity farany amin’ny toerana arahi-maso manokana ao amin’ny “Amirauté”. Mety haharitraritra ny dian’ny fianakaviana Ravalomanana any Antsiranana amin’ity indray mitoraka ity, miankina amin’ny zava-misy ihany anefa izany. Efa tamin’ny herinandro lasa no voalaza fa nisy fanomezan-dalana avy amin’ny filohan’ny Repoblika azy ireo, hitsidika ny filoha Ravalomanana saingy toa mbola niandry taratasy avy amin’ny minisitry ny Atitany (?) indray. Ireo mpisolovava telo lahy, ny filoha Ravalomanana no lasa tany ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny iray, teratany afrikanina tatsimo ihany anefa no nomena alalana hihaona sy hifampiresaka mivantana tamin’Atoa Ravalomanana fa ireo mpisolovava teratany malagasy nosakanana. Tamin’ny talata teo izy ireo no tafaverina teto an-denivohitra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.