Politique

Lalao Ravalomanana “Afaka mamaha tsara ny olan’ny Tantsaha i Dada”


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Distrika 2 amin’ny faritra Analamanga dia Avaradrano tapany avaratra sy Manjakandriana tapany avaratra no voatsidik’i Neny Lalao Ravalomanana omaly, nanao fampielezan-kevitra ho fampandresena an’i Dada laharana faha-25.

 

 


 Tanàna 10 amin’ireo distrika roa ireo no notsidihan’i Neny tamin’izany dia Ankadikely, Sabotsy Namehana, Antsofinondry, Anosiavaratra, Faravohitra Avaratra, Ambohimanga Rova, Ambohidrabiby, Talatavolonondry, izay samy ao amin’ny distrikan’Avaradrano sy Andriampamaky ary Ankazondandy, izay samy ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana. Tamin’ny 6 ora maraina dia efa nanomboka ny fampielezan-kevitra nataon’i Neny. Fitafana mivantana tamin’ny vahoaka, fizarana ilay Manifesto na dina sy fifanarahana amin’ny vahoaka Malagasy ataon’i Marc Ravalomanana, izay tsy maintsy hotanterahany raha vao lany filoham-pirenena izy, ary famoriam-bahoaka no nataony. Fararanom-bahoaka avokoa izay naleha. Niara-dia taminy tamin’izao fampielezan-kevitra izao ny depioten’Avaradrano Gerry Randriambolaina, sy ny mpandrindra ny fampielezan-kevitry ny kandidà nomerao 25 amin’ny faritra Analamanga, kolonely Faustin Andriambahoaka. Tantsaha i Dada, tantsaha ihany no afaka mamaha ny olan’ny tantsaha, hoy i Neny Lalao Ravalomanana nandritra ny hetsika nataony, Niantso ny rehetra hifidy izy amin’ny 7 novambra ary hifidy ny kandidà Marc Ravalomanana nomerao 25, nampianatra ny rehetra amin’ny fampiasana ny bileta tokana koa i Neny.

 

Nangonin’i RTT


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT