Politique

Lalandy Andriamitosy “Tsy tokony hahazo milatsaka ny mpanongam-panjakana”


  • Alarobia 08 Aogositra 2018

Ny mpanongam-panjakana no anisan’ny namotika ny firenena Malagasy ka mampahantra ny isan-tokantrano tahaka izao, hoy i Lalandy Andriamitosy avy amin’ny Solofo Fampandrosoana ny Firenena (SFF).

Vokatr’izay, tafakatra     92 % ny tahan’ireo Malagasy   mahantra eto amintsika, ka ireo zaza amam-behivavy no tena mahita faisana. Rariny sy mety raha lavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny taratasy fangatahana filatsahan-kofidiana ho an’ny mpanongam-panjakana. Ankoatra izay dia nangatahiny tamin’ny HCC koa ny hanalavana ny fe-potoana hahafahana manangona ireo karazana antontan-taratasy rehetra ilaina. Anisan’ireo nilaza ampahibemaso ny filatsahany hofidiana ho filoham-pirenena Atoa Lalandy Andriamitosy omaly. Maro ny zavatra mampiavaka azy amin’ireo kandida namana hafa, raha araka ny fanazavany. Anisan’ireny ny  famakiany Baiboly betsaka hahafahany mampihatra ny tena sitrapon’Andriamanitra eto amin’ny firenena, ny fananany finiavana hiady ho an’ny vahoaka Malagasy, ny fitiavany tanindrazana tsy azo hozongozonina ho tombontsoan’ny mpiray tanindrazana. Miantso ireo vonona ny hiara-kiasa aminy Atoa Lalandy Andriamitosy. Ny volabe no mety tsy hananako fa raha ny fanabeazana sy fahendrena dia tena hananantsika tokoa. Anisan’ny fepetra takiany amin’ireo mpiara-miasa aminy kosa ny fitondrantena mendrika, ny tsy fandalana ny fahamarinana ary ny fahaizana mizara amin’ny mpiara-belona. Rehefa ireo telo ireo no voafehy dia mipoitra ny faharanitan-tsain’ny olona iray ka tsy ilana minisitera be dia be sy talem-paritra toy ny misy ankehitriny intsony, handaniana volam-panjakana.  Notsiahiviny fa manana paikady hahafaha-miady amin’ny kidnapping sy ny halatra taolam-paty ankehitriny ny tenany toy ny fanafoanan’ny fanjakana ireo olona misaron-tava sy ny fampiasana ny moara hataon’ny dahalo. Mety Atoa Lalandy Andriamitosy, araka izany, ilay gisa mainty andrasan’ny rehetra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT