Nanome torohevitra ireo mpitondra hitantana ny firenena i Lalandy Andriamitosy omaly, manoloana ny fanjakazakazan’ny vahiny eto amin’ny tanintsika.
Nambarany fa raha tiana handroso ny firenena dia ny fifidianana ihany no tokony hifampiraharahana amin’ireo teratany vahiny na vahiny mitondra ny zom-pirenena Malagasy. Raha misy zavatra tsy maintsy resahina dia ny contrôleurs sy ny inspecteurs no tokony ho solontenan’ny vahoaka manomboka izao, izay hapetraka eo am-pelatanan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fanaraha-maso azy. Nomarihiny fa amin’izao ankatoky ny fifidianana izao no tsara hampahafantarana izany ireo mpitondra ambony rehetra mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Nangataka tamin’ireo kandida hofidiana ho filoham-pirenena ny tenany hahafahany misolotena ny iray amin’izy ireo. Toerana iray no hangatahiny mba hosoloiny ka hiara-kiasa sy hifanampy ny rehetra hanatanteraka ilay fanarenana ifotony eo amin’ny vahoaka sivily sy miaramila. Toraka izay koa ny fijerena ireo mpitondra ambony rehetra mba hanana hakingan-tsaina ka ho tena mpitarika marina izy ireo, hitondra tombontsoa iombonana ho an’ny Malagasy rehetra. Nomarihin’i Lalandy Andriamitosy fa olona manana fanabeazana feno avy tamin’Andriamanitra sy olombelona ny tenany ka tena hanasoa ny vahoaka Malagasy tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.