Tonga nanatitra taratasy fitoriana sy tolo-kevitra teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana Ambohidahy omaly i Lalandy Andriamitosy, kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 7 novambra ho avy izao.
Hevitra telo lehibe no navoitrany dia ny tokony hijeren’ny HCC ny lalana nizoran’ireo mpanao politika amin’ny maha mpitarika azy ireny nefa mbola maniry hilatsaka hofidiana. Lohalaharana ireo niteraka korontana teto amin’ny firenena ka nampahantra ny 92 %-n’ny Malagasy tahaka izao. Mety tao anatin’ireny olona ireny ihany ny fitiavan-tanindrazana saingy ireo mpanara-dia azy no tsy nitsinjo vahoaka ka tsy tokony handray anjara ihany koa ny antoko politikany. Betsaka tamin’ireo aina nafoy vokatry ny hetraketraka nataon’ireo mpitarika ireo no tsy mitsahatra ny mitaraina amin’Andriamanitra ny fanahiny, antony tsy hahitantsika fiadanana intsony eto amin’ny tanintsika sy mampihena andro aman’alina ireo fambolena sy biby fiompy eto Madagasikara. Anisan’ny nangatahany ihany koa ny tokony hijeren’ny HCC ireo mpitondra ambony maniry ny hilatsaka hofidiana ka nanodinkodim-bola tokony hanasoavana ny vahoaka. Tokony hanaovana fanadihadiana ny mikasika izany ka raha hahazoana porofo mazava dia foanana avy hatrany ny taratasy fangatahana filatsahan-kofidiany. Ny mikasika ireo mpitondra fivavahana indray dia nomarihiny manokana fa manelingelina ny fitondrana mijoro ny maha filoha mpanorina ny fiangonana azy ireny nefa hofidiana. Mbola mangataka ny hanemoran’ny HCC ho iray volana ny fanaterana ny antontan-taratasin’ireo kandida maniry ny hilatsaka hatrany moa i Lalandy Andriamitosy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.