Efa fiasan’Andriamanitra hatrizay ary mbola ataony ankehitriny ny mampitondra hafatra mazava mety miandry ny olona iray manan-daza ka nanam-pahadisoana lehibe eny anivon’ny fiarahamonina, hoy i Lalandy Andriamitosy.
Tafiditra ao ny mpitondra firenena na very répère mihitsy ka eny anelanelan’ireo tranga misy no mampitondra hafatra mazava ho azy ireny Andriamanitra. Ho an’ny raharaha 2001 dia naverin’Atoa Lalandy Andriamitosy fa nampita hafatra toy ny hoe : «aza ampiasaina ela ny mpitondra ambony talohan’ny taona 2001, raha hitondra firenena ianao, hoy Andriamanitra ary ianaro ny fahaizana nomen’Andriamanitra azy dia omeo mari-boninahitra, ary aza henoina intsony izy.» Nandeha ny fotoana ary mandra-pialan’ny mpitondra teo amin’ny fitondrana, mbola praiminisitra sy Lehiben’ny depiotén’ireo mpitondra talohan’ny taona 2001 iray no nahazo toerana ary niaro ny filoha hatramin’ny farany. Tsy miverina eo amin’ny fitondrana intsony Andriamatoa Marc Ravalomanana noho ny tsy nanarahana ny hafatra, hoy hatrany i Lalandy Andriamitosy satria maty ny praiminisitra Jacques Sylla tamin’ny volana desambra taona 2009 . Ny taona 2009 indray dia roa ny hafatra ho an’ny filohan’ny Tetezamita Andrinirina Rajoelina toy ny hoe :«Tsy mahazo miteny eo anatrehan’Andriamanitra hoe : Mpitondra Firenena izy ao amin’ny Fjkm, fa raha mankany dia mangina manao toy ny mpivavaka tsotra fotsiny. Teo ihany koa ny hoe : amin’ny taona 2038 vao afaka mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena raha mbola mazoto» ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity. Ny 20 aogositra 2011, nitokana ny fiangonana Fjkm Anjanamasina ny fitondrana tamin’izany fotoana ka ry zareo irery no niara-nivavaka tao narahina fandraisam-pitenenana. Herinandro taty aoriana, nantsoin’Andriamanitra hody any aminy ny herin’ny Mpitondra Tetezamita dia ny minisitra Nadine Ramaroson. Raha mbola mandroso hirotsaka hofidiana i Andry Rajoelina ka tsy voasakana noho ny lalàn’ny fanonganam-panjakana dia zavatra roa loha no mety hiseho. Ahenan’Andriamanitra ny heriny ka tsy ho lany ho filoha intsony izy na ho lany ihany saingy noho ny vola hananany. Raha lany izy ka ampitoviana ny Hafatra voalohany dia herinandro aorian’ny investiture dia tsy maintsy misy fiantraikany an’i Andry Rajoelina io hafatry ny taona 2038 io.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.