Politique

Lalŕna momba ny fitsinjaram-pahefana Ahitana lesoka sy tsy ampy


  • Alakamisy 02 Aprily 2015

Efa voarafitra ao anaty boky kely ankehitriny ireo lalŕna miisa telo vaovao momba ny fitsinjaram-pahefana.

 Niara-niasa tamin’ny famolavolana ity sokajiana ho fitaovam-piasana hanatsarana ny fomba fiasa miaraka amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eny anivon’ireo tompon’andraikitry ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny sampandraharaham-panjakana ifotony ity ny Ofisim-pirenena ifampidinihana ho an’ny Fitsinjaram-pahefana na «Office National de Concertation sur la Décentralisation», ny Fandaharanasan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana ary ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana. Andraikitry ny governemanta amin’ny alalan’ny minisitera mpiahy rahateo moa ny manaparitaka ireo karazana lalàna ireo eny anivon’ny lafintany manerana ny nosy. Indrokelin’ny mpandrafitra anefa ny fahitana ireo lesoka sy tsy ampy ao anatin’ity boky torolalana momba ny lalàna fehizoro laharana 2014-018 tamin’ny 12 septambra 2014, ny lalàna laharana 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014 ary ny lalàna laharana faha 2014-021 tamin’ny 12 septambra 2014, araka ny fanamarihana avy amin’ireo tompon’andraikitra manam-pahaizana manokana momba ny fitsinjaram-pahefana.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT