Mipoitra avokoa ireo kandidà azo heverina fa ho “favori” amin`ny fifidianana manaraka. Efa mitety faritra hatrany ireo handray anjara na dia misy aza ireo tsy nanao fanambarana ofisialy.
Tsikaritra fa diso kajy ihany tamin`ny fampandaniana ny lalàm-pifidianana ny HVM satria natao ny amboletra rehetra amin`ny handresena amin`ny fifidianana. Mihevitra azy ho henjana tokoa ny antoko HVM ka natao fotsiny amin`izay mahametimety ny fitondrana ny raharaha. Hita taratra anefa fa tsy mamim-bahoaka intsony ny antokon’ny fitondrana ary tena misy ny kandidà hafa mahazaka olona maro kokoa amin’ny famelabelarana ny vinam-piarahamoniny na dia tsy afaka mampiasa fahefam-panjakana sy manao tsindry bokotra aza.Teboka niaingan’ny tolona ho an’ny fanovana ka nanovana ny governemanta iny kitoatoa tamin’ny fandaniana ny lalam-pifidianana iny izay nitarika tranga maro samihafa tsy tao anaty kajin’ny HVM.Tranga izay azo antoka fa vao miha nampitombo ny fahasosoran’ny vahoaka amin’ny mpitondra manga kravaty.Voan`ny ataony ihany ny antoko HVM amin`ny kajikajy politika diso tafahoatra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.