Taorian’ny fangatahana ny hevitry ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) mba hitondrany fanazavana momba ireo antonantony sasantsasany amin’ireo fanapahana navoakany ny 3 mey lasa teo, dia navoakan’ny fiadidiana ny Repoblika omaly didy manambara fa manankery ireo lalàna fehizoro momba ny fifidianana.
Tsy inona moa izany fa ny lalàna fehizoro momba ny rafi-pitsipika ankapobeny momba ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ary ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ireo Solombavambahoaka ao amin’ny Antenimierampirenena.Omaly 11 mey no navoaky ny HCC ny fanehoan-kevitra laharana faha-02-HCC/AV, taorian’ny fangataham-panazavana nalefan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta ny 8 mey.Voalaza ao anatin’ity hevitra navoakan’ny HCC ity fa atao 15 andro ny fe-potoana ho an’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filoham-pirenena fiodinana faharoa ary ny bileta tokana ihany no ampiasaina mandritra izany.Manan-kery izany ny lalàm-pifidianana manomboka izao, ka andrasana manaraka ny datim-pifidianana raikitra.Andrasana tahaka izany ihany koa izay hevitr’ireo depiote ho an’ny fanovana sy ny mpanara-dia azy ireo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.