Namoaka ny heviny 15 andro taty aorian’ny nandraisany ny lalàna fehizoro laharana 2018-008 momba ny fitantanana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka eto Madagasikara omaly ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC).
Mazava ny didy nivoaka, tsy mbola azo ampiharina fa tsy maintsy averina dinihana indray io lalàna io satria andininy 17 izay azo ambara fa goavana sy tena ain-dehibe no nambaran’ny HCC fa tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sady mifanipaka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena izay nekena ary nosoniavin’i Madagasikara. Anisan’ny voakasika ao anatin’izany ny fisoratana anarana amin’ny lisi-pifidianana, ny fepetra ampiharina amin’ireo haino aman-jery tsy miankina izay noterena tsotra izao handefa amina fe-potoana mitovy ny fampielezan-kevitry ny kandida rehetra na firy na firy isany. Zavatra efa notoherin’ireo tompona haino aman-jery mafy izy io. Nokianin’ny HCC ihany koa ary nambarany fa tsy manaja ny sata afrikanina momba ny demokrasia sy ny fifidianana ary ny fitantanana ilay fampielezan-kevitra noferana ho 7 andro amin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena. Nahazo fanamarihana mafonja ihany koa ilay resaka vatom-pifidianana. Manamarika ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa ny fampiasana bileta tokana no mety indrindra satria hahafahana misoroka ny hala-bato sy ny hosoka io, ary tsy tokony hiresaka bileta amin’ny endriny hafa intsony tahaka ny nahazatra taloha. Tokony hitovy ny herijikan’ny kandida tsirairay avy, hoy ny HCC, koa raha ekena fa tsy mety ary tsy azo atao ny famatsiam-bola avy amina firenena vahiny iray ho ana kandida, dia tokony hekena kosa ny famatsiam-bola avy amina orinasa vahiny fa tsy maintsy atao ao anatin’ny mangarahara kosa anefa. Notsindrian’ny HCC manokana ihany koa fa mbola maro ny Malagasy no tsy mahay mamaky teny sy manoratra ka mety ho sahirana na ho diso safidy mihitsy rehefa manamarika amin’ny X na amin’ny alalan’ny lavotondro ilay faritra misy ny kandida tiany hofidiana. Mila hamafisin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana, araka izany, ny fanentanana sy fampianarana ny Malagasy mpifidy, hoy hatrany ny HCC. Hita fa nandinika sy namakafaka ary nandray ny soso-kevitra sy ny ahiahy momba ity lalàna fehizoro hitantanana ny fifidianana eto Madagasikara ity ny HCC ary sahy nilaza ny tsy mety rehetra. Mibaribary ary voaporofo indray izao ny fomba fiasa kitoatoan’ny governemanta HVM ary mazava tsara ny resaka fa mitombina tanteraka ny fanakianana sy fitakian’ireo Depiote ho an’ny Fanovana 73 mianadahy. Tsy ho mora ny fanitsiana ity lalàna fehizoro laharana 2018-008 ity taorian’izao didy navoakan’ny HCC izao, satria mbola hiverina indray any amin’ny governemanta aloha izay vao hiakatra eny amin’ny antenimiera roa tonta.Tranga vao miha manaratsy endrika hatrany ny fitondrana Rajaonarimampianina izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.