Niala tamin’ny fahanginany i Lalaina Berthnčs manoloana ny fivoizana ny «Pacte de Responsabilité» hifanaovan’ny filohan’ny Repoblika sy ny solombavambahoaka.
Nampahatsiahy ity filohan’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo tamin’ny andron’ny Ben’ny tanàna Guy Willy Razanamasy ity fa ny vahoaka malagasy no efa nandany ny fitsipika ankapobeny hitondra an’i Madagasikara dia ny lalàmpanorenana. Ny Vahoaka malagasy no namaritra fa hasiana filoham-pirenena, governemanta ary Parlemanta eto, ary nofaritany mazava ao ny andraikitr’izy ireo avy. Ny vahoaka no efa nametraka arofanina amin’ny alalan’ny «déchéance» sy «motion de censure» ka tsy afaka hitsikombakomba ny filohan’ny Repoblika sy ny Parlemanta na ny Parlemanta sy ny governemanta. Raha bangoina, hoy i Lalaina Berthnès, dia ny Vahoaka no fahefana faratampony eto ka tsy azo ekena velively raha ny HCC indray no hihevi-tena ho ambonin’izany ka hametraka fitsipika mihoatra ny nataon’ny vahoaka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.