Politique

Lahateny voalohan’ny filoha Mba tsy ho kobaka am-bava intsony…


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Fotoan-dehibe ho an`ny firenena ny lanonana fianianana ary ny fanolorana samboady sy mariboninahitra, saingy ny tena andrasan`ny besinimaro ny lahateny voalohany ny filoha vaovao.

 Nandritra ny lahateniny dia  nanambara ny tenany fa hiasa haingana sy mafy ho tombontsoan’ny vahoaka. Ankotra ireo fandaharan`asa izay niompana manokana tamin`ny fijerena herinaratra sy ny fandriamphalemana dia nilaza ny tenany fa ho hentitra sy tsy hisangy amin`ireo mpanao kolikoly. Hipetraka ho maodely ary hijoro ho raiamandreny ity filoha vaovao. Hiezaka hihaino sy ho akaikin`ny vahoaka ary tsy handray fanapahan-kevitra raha tsy ny tombontsoa ambonin`ny firenena. Hatsangany eo anivon`ny Repoblika ny sampandraharaha manokana izay handray ny hetahetan`ny vahoaka. Namintina ireo vina harosony ho an`ny fampandrosoana ny firenena, nandroso ireo fepetra horaisiny ary nampahafantatra ireo tetikasa hotanterahiny ho fanarenana ny firenena. Ny tanjona, hoy izy, dia ny mba ho mpandresy eo amin’ny lafiny rehetra amin’izay ny vahoaka malagasy fa tsy ho resy lava intsony. Raha ny endrika ivelany dia nampiseho fahavononana i Andry Rajoelina taorian`ny kabariny voalohany. Mandritra ny dimy taona ho avy, Andry Nirina Rajoelina no hitantana ny firenena ka enga anie mba hahaleo amin`ny asany izy, indrindra ho raiamandrenin`ny Malagasy rehetra na ireo nifidy azy na tsia.  Betsaka ny zavatra voalaza fa tokony hotontosaina tao anatin`ireny fampielezan-kevitra ireny ary navadika ho programan`asa. Hirariana sy takiana mba tsy ho kobaka am-bava intsony satria tsy mendrika izany intsony ny Malagasy. Hotanterahina tokoa amin`ny famoahana ny vahoaka Malagasy anatin`ny fahantrana anie ilay velirano. Voalohany, mila jerena akaiky ny sakafo, zavatra ampiasaina amin`ny andavandron`ny vahoaka, indrindra ny kolikoly ary fametrahana filaminana eto amin`ny firenena. Ny famerenana an-tsakany sy an-davany ny filaminam-bahoaka, indrindra ny fampitoviana ny fampizarana ny harem-pirenena mba hampitovy tantana ny olona rehetra no tokony himasoana satria be loatra ny elanelan`ny manankarena izay tena vitsy sy ny mahantra izay tena maro an`isa.  

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT