Politique

Lafrantsa Mpibodo tanin’olona


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Mihazakazaka mafy amin’ny fanitarana ny velaran-taniny i Lafrantsa. Fantatra mantsy izao fa nitombo 500 000 km˛ indray izany taorian’ny fahazoan-dalana azon’ny fanjakana Frantsay tamin’ny firenena mikambana.

 

 Ny velaran-tany any ambany ranomasina moa no voakasiky ny fanitarana, izay tsy tongatonga ho azy fa efa tafiditra ao anatin’ny kajy amin’ny fitrandrahana ireo harena any ambany ranomasina izay fantatra fa akora ilaina amin’ny fanamboarana ireo fitaovana sy singa momba ny teknolojia amin’izao fotoana sy amin’ny ho avy. Any Martinique, Guadeloupe, Guyane, ny nosy Kerguelen sy Nouvelle-Calédonie no voakasik’ity resaka ity. Ankehitriny dia efa tafiakatra hatrany amin’ny 11 tapitrisa m² ilay antsoina hoe Zone économique exclusive (ZEE) an’i Frantsa. Tombontsoa goavambe no ho azon’i Lafrantsa avy amin’ny fitrandrahana ny harena any ambany ranomasina avy amin’ireo faritra ireo, tahaka ny efa azony amin’ny fibodoana ny îles éparses izay fananan’i Madagasikara. Ny gazy natoraly sy ny solika moa no fantatra fa harena ambanin’ny tany sy ambany ranomasina misy any amin’ireo nosy malagasy giazan’i Lafrantsa ireto.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT