Nifanesy noraisin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana teny amin’ny birao fiasany teny Analakely omaly maraina ny masoivohon’i Japon Ryuhei Hosoya sy ny ambasadaoro frantsay Véronique Vouland Aneini.
Tonga nitsidika tamim-panajana sady niarahaba ihany koa an’i Neny ny solontenan’ireto firenena vahiny roa miasa eto Madagasikara ireto. Fihaonana voalohany nisian’ny dinikasa fanarenana an’Antananarivo avy hatrany teo amin’ny masoivoho frantsay sy ny mpitantana vaovao ny kaominina renivohitr’i Madagasikara.
Nifoha tamin’ny torimasony
Mangetaheta fiaraha-miasa amin’ny ben’ny tanàna vaovao ny firenena frantsay, hoy ny masoivohony Véronique Vouland. Fiaraha-miombon’antoka efa an-taonany maro izay ezahana hofohazina indray rehefa natoritory. Resy lahatra rahateo ity ambasadaoro frantsay vaovao monina eto Madagasikara ity fa tena ho fahombiazana tanteraka io fiaraha-miasa amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra eo ambany fitantanan’i Neny Lalao Ravalomanana io. Nampahafantarin’ity masoivoho vahiny ity nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta sahady moa ireo volavolana tetikasa fanarenana sy fanatsarana miaraka amin’ny fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara avy amin’ny firenena frantsay. Tafiditra ao anatin’izany ny sehatry ny fitaterana, ny fanabeazana ny reny sy ny zaza isaky ny boriborintany ary ny fialamboly. Hotohizana ihany koa ny resaka lalana sy ny fifehezana ireo rano fampiasan’ny mponina andavanandro. Faniriana ny hanatanterahana ireo asa fampivoarana ny fiainan’ny vahoaka ireo ao anatin’ny fotoana fohy, hoy kosa i Neny.
Fifampiresahana sy fandaminana
Tsy mahamaika ny fandrodanana ireo trano tsy ara-dalàna eto Antananarivo Renivohitra amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Vahaolana matotra aminy ny fanatonana sy fifampiresahana mivantana amin’ireo olona voakasik’izany. Mila fandaminana matotra rahateo ny fiatrehana ny fandraisana ireo traboina tsy manan-kialofana ka eo am-pijerena ireo fotodrafitrasa fananan’ny kaominina i Neny sy ny ekipany ankehitriny, araka ny fanazavany. Misisika mafy hiara-kiasa amin’ny ben’ny tanàna vaovao ny frantsay. Fihetsika azo adika ho misy ambadika politika sy diplaomatika ihany satria iarahan’ny rehetra mahalala fa ny Alemana no tena akaiky an-dRamatoa Lalao Ravalomanana ary efa nanome toky fa hanampy ara-bola sy ara-pitaovana azy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.