Politique

Kung-fu Wisa Haneho ny heriny eny Mahamasina


  • Talata 14 Aogositra 2018

Ana hetsiny ny mpikambana miangaly ny haiady Kung-Fu Wisa amin’izao, izay mielipatrana manerana ny nosy satria ireo toerana heverina ho lavitr’andriana aza ahitana izany.

Na raharaham-pirenena, na fanatanjahantena sy fanabeazana, dia teo foana ny Kung-fu Wisa nandritra izay 38 taona nijoroany izay, izay raha tsiahivina dia ny 10 oktobra 1980 no nananganan’i Grand Maitre Pierre-Be an’ity taranja ity voalohany teto Madagasikara. Ny 01 aogositra 1985 no nanafoanan’ny fanjakana azy fony faha Repoblika faharoa, ka notifirina natao vonomoka ireo mpikambana ka ny sisa tsy maty sy naratra dia natao hazalambo sy nogadraina. 38 taona aty aoriana, mbola eo foana ny Kung-fu Wisa, ka ny Maitre Avoko Rakotoarijaona no mitarika azy manerana ny Nosy ary i Victor Rakotoarisoa no filohan’ny federasionina. Fahendrena hatrany ny lalan-kizorana hatramin’ny nitondrany ny Kung-fu wisa nandimbiasany ny rainy, ka nialany lavitra ny fifandonan’ny samy Malagasy na dia nisy aza ny fandranitana sy fihantsiana, hoy ny Maitre Avoko. Hanao fihaonambe eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina izy ireo ny alahady 19 aogositra izao, ka mpanao kung-fu hatrany amin’ny 10 000 no andrasana ho avy. Ankoatra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sy ny fampisehoana fahaiza-manao samihafa, dia hamafisin’izy ireo ny firaisam-peo amin’ny fiantsoana an’i Hery Rajaonarimampianina hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Marihina fa anisan’ny mpitarika ilay vovonana politika antsoina hoe Voromahery na Vondrona miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina ny Maitre Avoko Rakotoarijaona, ary milaza fa resy lahatra tanteraka amin’ny asa vitany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT