Efa manomboka sahady ankehitriny ny adihevitra sy fanehoan-kevitra samihafa manoloana ny fanapahan-kevitra navoakan’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana mamaly ny fitoriana nataon’ireo Solombavambahoaka 121
mihevitra ny hanala amin’ny toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Iray amin’izany, ohatra, ry zareo avy amin’ny KSMD na ireo Kandidà Solombavambahoaka Miara-Dia izay anisan’ireo tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo izay tarihan’Atoa Lafatra Rakotovololona Abraham fa tamin’ity indray maka ity dia nosoloin’Atoa Andriamanampisoa Gégé Bosco tena kosa ka nilaza fa ankasitrahan’izy ireo iny fanambarana navoakan’ny Hcc iny fa mifanitsy indrindra tamin’ny fitakian-dry zareo amin’ny hampiharana ny fehin-kevitry diniky ny fampihavanam-pirenena natarihan’ny FFKM farany teo teny amin’ny CCI Ivato ary izay no tadiavin’ny vahoaka fa efa tena mijaly izy ary ny mpamatsy vola koa efa vonona hanolo-tanana. Ekena na dia ampahany ihany aza no tanteraka, hoy ity solontena ity, saingy mahatoky ny fahendren’ny filoham-pirenena ny mandinika izay tokony hataony indrindra ny amin’ireo solombavambahoaka izay tsy azo antoka ny hanam-pahatokisana azy intsony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.