Politique

Krizy politika Mampitandrina ny foloalindahy


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena, dia nanao fanambarana teny Betongolo, omaly, ny lehiben’ny mpitandro ny filaminana notarihin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rasolofonirina Béni Xavier,

 ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria Randriamahavalisoa Girard, ny minisitry ny filaminana anatiny Andrianisa Jean Jacques, ny kaomandy ambonin’ny zandariamaria sy ireo lehiben’ny fibaikoana sy tompon’andraikitra ambony maromaro. Sekoly lehibe eo amin’ny fiarahamonina ny demokrasia noho izany mila fahamendrehana na amin’ny fihetsika na amin’ny fiteny amin’izay rehetra atao ho an’ny olom-pirenena rehetra mba hisian’ny ohatra velona mitondra any amin’ny fitoniana eo anivon’ny fiarahamonina sy hisorohana ny fikorontanana izay tsy ho tombontsoan’iza na iza, hoy ny fanambarana. Manaitra amin’ny fomba hentitra dia hentitra ny lehiben’antoko politika voakasik’izao olana politika izao ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana mba handray andraikitra feno sy maika amin’ny aro riaka handravonana izao toe-draharaha izao ao anatin’ny fotoana haingana indrindra. Haka ny fahefana ve izy ireo rehefa tsy hahay hifandamina ny mpanao politika ? Mamerina sy manamafy ihany koa izy fa ireo toerana saropady ahitana ireo fananam-pirenena, fananana iombonana, fotodrafitrasa ambenan’ny mpitandro ny filaminana ary voafaritra manokana amin’ny fiarovana amin’ny fanapotehana sy fandrobana, dia tsy azo hidirana na hanaovana amboletra. Na tsy nivantana aza ny mpitandro ny filaminana, dia ny resaka fidirana an-tsehatry ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka mpiara-dia amin’ny fitarihana ny mpiasa any amin’ny minisitera isan-tsokajiny no mety tiana hambara eto. Nambara fa izay minia manao izany dia henjehin’ny andininy faha-91 ka hatramin’ny faha-101 sy ny andininy faha-327 hatramin’ny faha-329 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana Malagasy. Eo amin’ny sehatry ny serasera ihany koa dia mampahatsiahy ny rehetra fa ny fihantsiana sy ny fanivaivana ny mpiray tanindrazana sy ny mpitandro ny filaminana dia tsy lalana mihitsy mankany amin’ny fitoniana ary voararan’ny lalàna. Voafaritry ny andininy faha-24 sy faha-28 ao amin’ny lalàna 2016/029 tamin’ny 14 jolay 2016 mikasika ny seraseram-baovao ary faizin’ny lalàna manan-kery. Mampitandrina fa ny fanerena na an-kolaka na mivantana ny olom-pirenena  tsirairay amin’ny safidiny, dia fandikan-dalàna voafaritry  ny andininy faha-10 amin’ny lalàmpanorenana, toy izany ihany koa ny fanelingelenana ny fahafahana fototra ananan’ny tsirairay. Miantso ny olom-pirenena Malagasy tsivakivolo tsy hanaiky intsony hatao fitaovana eo am-pelatanan’ny mpanao politika, ampy izay ny ra latsaka, ny aina nafoy ka aoka mba tsy ny fitiavan-tena, ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-tseza no anaovana sorona ny mpiray tanindrazana, hoy ny fanambarana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT