Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka omaly alakamisy 31 mey ny hetsika International Fair Tourism Madagascar andiany fahafito.
Ao ireo mpandraharaha no efa velon-taraina sahady ny amin’ny akony sy laza ratsin’i Madagasikara manoloana izao krizy eto amin’ny firenena izao. Manaraka ny toe-draharaha misy eto amintsika ny vahiny ary mahafantatra tsara fa miaina anaty krizy ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Matetika dia manomboka volana jona tahaka izao no manao famandrihana ny toerana hivahinianany sy hotsidihany ireo vahiny sy ireo teratany Malagasy efa mandamina ny fialantsasatra ho avy. Araka izany dia mbola antenaina aloha ny fahatongavan’izy ireo hamandrika toerana satria mbola ny alahady 3 jona vao tapitra ny hetsika. Tsy mitarain-tana-miempaka ihany koa ireo mpandraharaha, indrindra ny any amin’ny faritany fa miezaka hatrany manao izay ho afany ny amin’ny fanentanana maro samihafa amin’ny fandresen-dahatra ireo mpitsidika. Mila vahana haingana ity krizy eto amin’ny firenena ity fa efa manimba tsikelikely sahady ireo sehatra ahafahana mampidi-bola ho an’i Madagasikara.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.