Faha-4 lehibe amin’ireo Nosy eto amin’izao tontolo izao i Madagasikara.
Talohan’ny fanonganam-panjakana dia hita ho tombony hatrany izany satria nametraka ny toeran’ny firenena Malagasy teo amin’ny sehatra maneran-tany ny filoha Ravalomanana. Niroboroboro fatratra mantsy ny fifanakalozana ara-barotra na teto amin’ny firenena samy afrikanina na tany azia, indrindra tany amin’ireo firenena eoropeanina sy ireo firenena miteny anglisy. Ny fahaizan’io filoha mpitantana talohan’ny krizy 2009 io mifehy ny fifandraisana iraisam-pirenena dia nampitombo ny mpandraharaha vaovao teto Madagasikara. Ankoatr’izay dia hita tamin’ireny fotoana ireny ny fanitarana sy famoronana fotodrafitrasa maro tahaka ny lalana, indrindra tany amin’ireo toerana be vokatra ka nampiakatra be ny fanondranana tamin’izany. Hita ho tombony mihitsy tamin’ireny ny naha mpikambana an’i Madagasikara tamin’ireo tsena afrikanina tahaka an’ny COMESA sy SADC noho ny fahaiza-manaon’ny fitondrana tamin’izany ka nahafahana nametraka ny vokatry ny firenena Malagasy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Niroborobo fatratra ihany koa ny sehatra fizahantany tamin’izany satria maro be ny vahiny nitsidika ka hita mivaingana ny tamberim-bidy niditra tamin’i Madagasikara noho ny fahatsaran’ny fandriampahalemana. Tsikaritra ny fahamafisan’orin’ny fifandraisana tamin’ny vondrona eoropeanina sy ny firenena amerikanina ary izany no nahatonga ny firenena sasany zatra manjanaka ho nalahelo toerana. Nanomboka tamin’izay ny fahapotehan’i Madagasikara satria nanaiky ny kilalao ratsin’ireny firenena zatra mitatamboka sy mitroka ny harenan’ny voazanaka ireny ireo voakarama. Rehefa izay dia nanaiky ho fitaovana hanongam-panjakana ka namotika tanteraka ny firenena izy ireo ary izany no nahatonga ny famotehana orinasa Malagasy marobe niampy ny fandrobana ka namparary tanterana sy nampitondra takaitra ny toekarena hatramin’izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.