Politique

Krizy eto Madagasikara Nampitombo avo telo heny ny olana ara-tsakafo


  • Alarobia 03 Jona 2015

Mbola lasibatry ny hanoanana ny olona 1 amin’ny 9 na mponina 795 tapitrisa maneran-tany, araka ny tatitra farany navoaky ny Firenena Mikambana momba ny olana

 

ara-tsakafo taona 2015. Nihena 21% anefa io tarehimarika io tao anatin’ny 25 taona, hoy ny Sofi 2015. Firenena 79 amin’ny 129 narahin’ny sampanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo maso no nahatratra ny tanjon’ny taona arivo fahatelo ho fampihenana hatrany amin’ny antsasany ny tsy fahampian-tsakafo hatramin’ity taona 2015 ity.

Sakafo tsizarizary

Voakasiky ny fahampian-tsakafo manokana ny faritra Afrika atsimon’i Sahara ahitana ny firenena Malagasy. Laharana faha-4 manerantany amin’ny fisakafoanana tsizarizary i Madagasikara. Mahatratra 28%n’ny mponina ambanivohitra na Malagasy 4 tapitrisa no misakafo tapa-kibo. Tara ny fitomboan’ny 47%n’ny zaza Malagasy miisa 2 tapitrisa vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny loza ara-boajanahary miaraka amin’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy korontana anatiny. Malaza amin’ny krizy miverimberina rahateo i Madagasikara izay antony iray nampitombo avo telo heny ny olana ara-tsakafo, araka ny tatitra isan-taonan’ny Firenena mikambana. Tsy misy afa-tsy ny finiavana politika anefa no lakile hanatratrarana ny tanjona ho famongorana ny hanoanana, hoy ny FAO. 

Ramano F.   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT