Politique

Krizy eto amin’ny firenena Tsy voavahan’ny filoha mihitsy


  • Alakamisy 28 Aogositra 2014

Noventesina foana ny fanjakana tan-dalŕna rehefa mikabary ny filoham-pirenena. Amin’izao fotoana dia maro ireo fitokonana miseholany etsy sy eroa. Mahakasika izany indrindra dia nilaza ny heviny ny filoham-pirenena omaly nandritra ny fanokafana ny fikaonan-doham-pirenena ny holafitr’ireo mpisolovava eto Madagasikara eny amin’ny hotely Carlton.

Fampiharana ny lalàna

Mahakasika  ny tranga niseho  teny amin’ny trano fonenany ka nampiantsoana ireo mpiasan’ny JIRAMA dia  nanambara ny tenany fa dingana tsy maintsy atao ireny ary misy ny fanadihadiana mifanaraka amin’izany.  Momba  ny fitokonan’ireo mpiasan’ny seranam-piaramanidina eny Ivato dia nolazainy fa manana zo hitokona ny rehetra rehefa  tsy manakorontana. Ny vahaolana, hoy izy, dia iaraha-mitady  ao anaty  fiarahamonina milamina sy mirindra. Noresahina ihany koa ny mahakasika ny fampihavanam-pirenena saingy tahaka ny mahazatra dia litania fotsiny izany ho an’ny filoha fa ny fanatanterahana azy  dia mbola lavitry ny afo ny kitay. Nolazainy mantsy fa ny tenany no hitarika izany ary efa misy ny dingana  hatao fa tsy fantatra hoe rahoviana.   

Tsy manana vahaolana mazava

Hatreto  dia  valin-teny manjavozavo hatrany  no entin’ny filoham-pirenena namaliana ny  fanontaniana mafampana eto amintsika  tahaka  ireo fitokonana etsy sy eroa. Raha ny hita  mantsy  dia tsy mbola  manana vahaolana mazava ny filoha  handaminana ny toe-draharaha fa dia resaka sy fampanantenana tsy  hita fototra no betsaka. Ny nahagaga ihany koa dia tsy nisy mba nanazava na niresaka ireo tompon’andraikitra voalohany voakasiky ny fitakian’ny mpiasan’ny Air Madagascar, tahaka ny minisiteran’ny fitaterana, ohatra, na ny momba ny olana eo amin’ny JIRAMA, tsy nandrenesam-peo mihitsy ny minisitry ny angovo;mba niresaka ihany fa fohy dia fohy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena momba ny olan’ny mpampianatra FRAM. Fa dia ny filoham-pirenena irery ve izany no tsy maintsy miresaka sy mamaly ireo fimenomenomana ireo ? Fa inona izany no anjara asan’ireo minisitra tsirairay ireo ? Sa ve efa baiko mihitsy no misy hoe tsy maintsy ingahy filoha no miteny fa tsy mahazo miresaka ny tompon’andraikitra hafa ? Nambaran’i Hery Rajaonarimampianina omaly fa tsy marina ny filazana hoe mikatso ny famatsiam-bola avy any ivelany, nolazainy koa anefa fa efa eo am-pandrafetana ny fandaharanasa ny fitondram-panjakana ka mbola miandry kely aloha noho ny fandaminana. F’angaha moa tsy efa misy politika ankapoben’ny fanjakana (Politique Générale de l’Etat) nambara teny amin’ny antenimieram-pirenena ka inona indray no mbola arafitra sy mila miandry kely vao tonga tokoa ilay famatsiam-bola ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT