Politique

Krizy aorian`ny fifidianana Volena ao anaty sain`ny Malagasy ?


  • Alakamisy 13 Desambra 2018

Lasa resabe ary volena ao anaty sain’ny Malagasy mihitsy fa hisy olana aorian’ny fifidianana.

 

 

 Tsy voatery ho ratsy foana anefa ny fifidianana ary tena fomba fiasa demokratika. Noho izany, zava-dehibe ny hifampitaiza fa tsy rehefa misy fifidianana dia tsy maintsy korontana ny hiafarany. Ny Malagasy tsirairay dia afaka maneho hevitra ka hisafidy amin’ny alalan’ny fifidianana izay olona heveriny fa mendrika hitondra azy anatin`ny fandatsaham-bato.Tsy maintsy atrehan’ny firenena ny fifidianana, ary ireo tompon’andraikitra mikarakara izany dia efa manao ny ezaka mba hampagarahara ny safidim-bahoaka. Ireo kandidà roa mpifaninana amin`ny fihodinana faharoa dia heverina fa mahatsapa tsara ny hoe Malagasy an-tapitrisany no nametraka fitokisana tamin’izy ireo.Manahirana ihany anefa ny fihetsiky ny sasany izay ao anatin’ny zotram-pifidianana no nikarakara atrikasa nolazaina fa momba ny fandriampahalemana ka nampirantiana fitaovam-piadiana, tsy fanta-pihaviana ary tsy mazava hatrammin’izao hoe ahoana marina.Tsy fahita maneran-tany iny zavatra nataon’ny kandida laharana faha 13 iny ka nahatonga ny filoham-panjakana nanao fanamarihana.Inona no tena tiana hahatongavana amin’ny fihetsika toa ireny, sa efa karazana hafatra fa hoe manana basy sy fitaovana izahay..etsy ankilan’izay dia efa manomboka mihetraketraka ny mpomba ny kandida laharana faha13 ka midaroka sy manompa ireo tsy mitovy firehana aminy.Tendrim-po tsy mba namana ve ireny sa efa fanazaran-tena amin’ny ho avy aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana ?

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT