Politique

Krizy 2009 Nanakorontana ny tetibolam-panjakana


  • Zoma 03 Aprily 2015

Manodidina ny 1/8 isan-taona ny krizy politika iainan’ny firenena afrikanina iray, hoy ny mpahay toekarena vahiny Paul Collier. Voamarina io trangan-javatra mampalahelo io eto Madagasikara raha jerena ny zava-nisy tamin’ny taona 1991, 2002 ary 2009.

Nanakorontana tanteraka ny tontolo ara-toekarena  ireo krizim-pitantanana niverimberina ireo. Efa hita soritra anefa ny fampandrosoana ny fiaraha-monina Malagasy teo anelanelan’ny taona 2003 sy 2008 saingy noravan’ny krizy novolena tamin’ny taona 2009. Nitarika korontana maharitra teo amin’ny tetibolam-panjakana sy ireo seha-panarenana io zava-niseho io, araka ny fanamarihan’ny Banky iraisam-pirenena. Akony ratsy tsy mbola ahitam-bahaolana ankehitriny ny fitotongan’ny sosialim-bahoaka amin’ny ankapobeny vokatry ny fahatapahan’ny famatsiam-bola avy any ivelany. Niteraka fatiantoka teo amin’ny lafiny fanondranana tahaka ny fanenomana izay nanafoana ireo tombontsoa efa nositrahantsika teo amin’ny tsena Agoa amerikanina, ny fizahantany na koa ny sehatry ny asa tanana. 

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT