Tsy mahatafavoaka baolina ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy na ny CFM tarihin’Atoa Maka Alphonse,
raha tarafina amin’ny zava-misy omaly tamin’ny fampanasoniavana ny dina ara-pitondrantena ho an’ny kandida filoha sy ny mba hisian’ny etika ho azy ireo mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Tsy vao izao io, ary tsy sanatria fitia te hanakiana fa efa hatramin’izay mihitsy no toa sahirana sy karazan’ny lany andro miala bala, ka toa ny andro sy ny fotoana no lany, ary ny iraka ampanaovina tsy mety vita. Ny rafitra natao hampihavana aza no toa lasa olana, ka inona no fitoniana ho azo amin’izany ? Manomboka hita soritra ny hisian’ny korontana eto amin’ny firenena noho ny tsy fahavitan’ny fampihavanam-pirenena mandrak’androany na dia efa nilokaloka ny hanatanteraka izany aza ity CFM. Efa nanao izay lokaloka izay ihany koa ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina raha vao nandray ny fahefana, saingy nijanona ho nofinofy. Tsy ny CFM ihany fa ireo andrim-panjakana sy rafitra natao ho arofanina ihany koa dia toa mampiahiahy. Resabe no betsaka satria ny tsy fanarahan-dalàna maro samihafa aza toa tsy hitan’ny manampahefana tompon’andraikitra izay hanaovana azy fa toa jerem-potsiny. Mandeha ny kiana ataon’ny kandida filoha, saingy tsy hita izay ataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, izay toa minia jamba sy be marenina eo anatrehan’ny lesoka heverina ho goavana sy mila jerena. Tena tsy mahita sa efa tratran’ny kolikoly avo lenta avy amina kandida iray ohatra ? Ny CENI dia efa maro ny ahiahy mikasika azy, ary hatramin’ny kandida filoha maromaro no efa milaza ho mahatsikaritra zavatra mamohehitra, toy ny resaka lisi-pifidianana mampiahiahy, ankoatra ny ahiahy amin’ny fiandaniana amin’ny kandida. Ekena fa tsy hisy ho afa-po 100%, saingy ny ahiahy sy kiana rehetra aloha dia efa tandindon’ny loza mety hitranga, dia ny savorovo mety hiseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.