Politique

Korontana eto amin’ ny firenena Tsy ampy ny fandraisana andraikitra…


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Maro ireo olana nifanesy teto amin’ny firenena no nahatonga ny tsy fahamarinan-toerana teo amin’ny lafiny politika.

 

 

 Misavorovoro tanteraka ny fiainam-pirenena, taorian’ny fanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 07 novambra lasa teo. Raha vantanina ny resaka, tsy ampy ny fandraisana andraikitra ataon’ireo mpanao politika malagasy, antony mahatonga ny toe-draharaha hikorontana ambony ambany toy izao. Efa hita soritra izany tamin’ny fanokafana ny lisi-pifidianana ny volana desambra 2017. Nieritreritra angamba ireo mpanao politika fa tsy ho tody amin’ny fifidianana voafaritra ao anatin’ny lalàmpanorenana ka samy niandrandra ny firodanan’ny fitondrana tamin’izany. Ny fakana fahefana amin’ny maha tany demokratika an’i Madagasikara dia amin’ny alalan’ny latsa-bato ihany. Nirosoana ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fifidinana, saingy voaporofo indray fa tsy misy ny fandraisana andraikitra teo amin’ireo parlemantera, satria toa nanaiky be fahatany hatrany ny zavatra natolotra teo aminy fotsiny izy ireo, kanefa izy ireo no misahana ny fanaraha-maso ny fahefana mpanatanteraka. Ny zava-nitranga dia niteraka ireny krizy tamin’ ny volana aprily ireny, izay niafara tamin’ ny didy fanapahaa tamin’ny 25 mey 2018 izay nampiantso ary nilaza hatrany fa iaraha-mitantana ny governemanta. Toa samy maika hizara seza sy fahefana izy ireo tamin’izany kanefa mpanao politika mifanipaka an-karona. Ny vaomiera misahana ny fikarakarana ny fifidianana (CENI) nanomboka teo no nandray tanteraka ny fifidianana, izay voasokajy ho goragora hatrany. Nisy ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana nataon’ny kandidà sasany, izay nanao fandikana lalàna, kanefa tsy nisy ny fepetra noraisina, dia vita ihany iny ny fihodinana voalohany. Voaporofo indray fa tsy nandray andraikitra ireo tomponandraikitra mahefa. Miandry ny fanapahana eo anivon’ ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sisa no azo atao, ary mirary hatrany mba ho fandraisana andraikitra matotra sy feno no hita sy ho tsapa amin’ ny famoahana ny vokatra ofisialy, amin’ ny 25 novambra ho avy izao.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT