Politique

Korontana eto Afrika Ao ambadika foana ny “Frantsa-Afrika”


  • Alatsinainy 07 Janoary 2019

Ara-tantara, niroso tamin`ny fanjanahantany ny frantsay tamin`ny taonjato faha-19. Taorian`ny ady lehibe faharoa dia betsaka ny firenena zanatany nangalana miaramila niady nanafaka an`i Frantsa tamin`ny alemana ka teo no nitsiry ny fanomezana fahaleovantena.

 

 

 Rehefa nandeha ny fitondran`ny Jeneraly Charles de Gaulle, sadasada ihany ireo firenena ireo, ka natsangana ny frantsa-afrika. Io no mba nahafahan`ny frantsay miaro ny tombontsoany rehetra na politika na toekarena amin`ireny firenena zanatany ireny. Raha izao vanim-potoana izao no jerena, ny filoham-pirenena Frantsay, Emmanuel Macron, miezaka mampiseho amin`ny seho ivelany fa te hiala amin`izay fomba frantsa afrika, izany hoe ny fitsinjovana fotsiny tombontsoan`ny frantsay ao anatin`ilay fiaraha-miasa. Efa hitany fa betsaka ny firenena  goavana toy ny sinoa, brezilianina, indianina… izay tena manampy ny firenena afrikanina toa an`i Madagasikara. Efa te hiala amin`ny ziogan-kolontsaina frantsay sy fanjanahana amin`ny endriny hafa ny Malagasy. Fomba hafa no apetraky ny Frantsay: karazana fiandaniana amin`ireo kandidà izay hoheverina hatanjaka sy hahazo ny amboara. Fametrahana fiaraha-miasa eo amin`ny roa tonta amin`ny alalan`ny fifanarahan’asa (accords bilateraux). Tafiditra amin`izany ihany koa ny fifanampiana andavanandro ataon`ny frantsay mba tsy ahafahantsika miala tanteraka eo ambany vahohony (AFD, …) Hitantsika ny fitsarana, ny zandarimariam-pirenena, polisim-pirenena, eo amin`ny sehatra fampandrosoana sy ara-toekarena mba hahazo izay fanampiana mivantana avy amin`ny Frantsay. Madagasikara anefa manana harena ankibon`ny tany, manana harena an-dranomasina raha ohatra ka tsara tantana ireny zavatra rehetra ireny na avo zato heny amin`ny fanampiana omen`ny frantsay ny vokatra izay azontsika amin`ireny. Ny ankabeazan`ny antoko dia misy firenena lehibe manohana azy ary anisan`ny manohana an`i Andry Nirina Rajoelina ny “France-Afrique”. Mety tsy hita soritra eo no ho eo fa any ambadika mety efa misy fifanarahana. Mavesa-danja amin`ilay tokony hofantarina hoe avy aiza marina ny loharanom-bola ahafahan`ny kandidà manao fampielezan-kevitra ary tsikaritra izany nandritra ny fifidianana satria nitentina 182 tapitrisa dolara ny vola nampiasainy nandritra ny fihodinana voalohany. Azo refesina amin`izany ny fatiantoka hiditra ho an`ny firenena raha toa ka tsy mampanjaka ny marina ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny talata ho avy izao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT