Politique

Korontana aorian’ny fifidianana Mananontanona indray


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Tsy azo lavina aloha izany hatreto fa tsy tomombana ny fanomanana ny fifidianana ho filoham-pirenena. Na ny filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI,

 

 

Hery Rakotomanana, aza dia hita ho niaiky izany ihany na dia toy ny niala bala ny faran’ny herinandro teo fa hoe tsy misy fanomanana tomombana izany eto ambonin’ny tany. Manoloana izany anefa dia samy hafa kosa angamba ny dikan’ny hoe “misy” sy ny hoe “be loatra” ary na kandida na mpandinika politika na mpanao politika dia efa samy nisy niteny daholo fa ity no fifidianana ratsy karakara indrindra. Azo antoka fa maherin’ny 100 isa, hoy ry zareo, avy eo anivon’ny DFP ireo tompon’andraiki-panjakana efa tratranay nanao propagandy ary mbola manohy. Ny lisi-pifidianana koa, etsy an-kilany, mampikomy ireo kandida miisa 26 be izao fa hoe diso tsy tomombana loatra. Ao koa ny biraom-pifidianana izay ahiana ho maro amin’izy ireo no noforonina. Manomboka miha malaza koa tato ho ato ny fifampihantsian’ireo mpomba kandida any anaty tambajotran-tserasera ka hatreny an-dalambe kanefa tsy manomboka akory ny fifidianana. Ny fikononkononan-javatra hafa avo lenta ataon’ireo merisenera politika any ambadika koa tsy hay intsony fa raha ny zava-misy hatreto aloha dia ratsy ny tondro ary mampanahy satria hita ho mananontanona indray ny korontana aorian’ny fifidianana.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT