Nosokafana omaly ary mitohy anio any Antsiranana ny Kongresin’ny Antoko HVM, ka nosantarina tamin’ny asam-baomiera.
Anio no voalaza fa fotoan-dehibe izay heverina fa hiresahana ny momba ny fifidianana filoha. Ho kandidan’ny HVM ve i Hery Rajaonarimampianina sa ho kandidan’ny vovonana hafa ? Toa manaitra mantsy ny mahita ireo mpanefoefo sasany akaiky ny filoha nanangana ilay vovona Voromahery, izany nambara omaly ny fisiany. Mbola nitondra ny fanentanana sy ny toromarika i Rivo Rakotovao na dia efa niala tsy ho filoha nasionalin’ny HVM aza ny 27 jolay lasa teo. Efa herinandro nialoha no nivory miaraka, saika isan’andro ireo solontenam-panjakana isan'ambaratongany tao Antsiranana, toy ny Lehiben’ny Faritra, Prefe, sefo fokontany, ary ireo lohandoham-pisorona HVM, raha ny fampitam-baovao. Toy ny mahazatra sy efa fanaon’ny HVM, dia azo heverina fa miraradraraka indray ny vola, izay mpizaika avy amin’ny lafivalon’ny Nosy rahateo no taomina ankoatra ny ao an-toerana. Tsy mazava ny loharanom-bola. Sa io ve ilay ekolazy nambaran’i Paul Rabary tamin’ny ampamoaka nataony ? Mazava ho azy satria ny fiainana aterinkalao, hoy ny minisitra iray izay efa nanontaniana momba io resaka io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.