Politique

Kongresin’ny TIM Niavonavonan’ny HVM


  • Talata 26 Mey 2015

Mafy firitsoka ka tsy zakan’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara ilay «sioka tokana» nataon’Atoa Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara ka dia naleon’izy ireo nanempoka tsy tonga tamin’ny famaranana ny kongresy nasionalin’ity antoko ity ny sabotsy 23 mey teo.

Raha ny fantatra dia fanasana folo be izao no nalefan’ny TIM tany amin’ity antoko eo amin’ny fitondrana ity fa na tamingan’olona iray aza tsy nandingana teny amin’ny Magro Tanjombato, famaranana ny kongresy, fa lasa nanao rodobe niaraka tamina fiaramanidina manokana tany Mahajanga izy ireo. Nibaribary tamin’io andro io fa antendromolotra fotsiny ihany ilay fampihavanana ventesin’ny HVM ombieny. Fa nampiaiky ireo filohan’antoko tonga teny ny mbola fitiavan’ny olona an’i Marc Ravalomanana. Fantatray fa nianto-tena ireto mpizaika avy amin’ny Faritra 22 ireto, nefa dia nangorompotsy i Tanjombato, midika izany fa mandeha ny lamasinina Tiako i Madagasikara, hoy izy ireo. Notsofindrano tamin’io fotoana io ireo kandida Ben’ny tanàna hitondra ny fanevan’ny TIM amin’ny 31 jolay ho avy izao.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT