Politique

Kongresin’ny lalana sy ny fitaterana Nanarak’efa an-dRavalomanana


  • Alakamisy 27 Novambra 2014

Samy nahatsapa ny rehetra tonga teny Ivato omaly nandritra ny fanokafana ny kongresin’ny lalana sy ny fitaterana andiany faha-5 fa hay ve ny lalana ka maha noana, sady azo hanina tsara . Tsy sanatria fitiavana te hanakiana be fahatany na koa fankahalana tsotra izao fa ny lasa tsy fanadino, indrindra fa ny zava-bita tsara. Iaraha-mahalala mantsy fa dia nisy ny filoha teto Madagasikara nametraka ny laharam-pahamehany sy ny programan’asany nifototra tamin’ny lalana.

Niaraha-nahita anefa  tamin’ny fotoan’androny fa dia nisy ireo nanakiana sy nitsekera mafy  io filoha io. Tamin’izany anefa dia efa  tsinjon’Atoa Marc Ravalomanana fa tsy misy fampandrosoana  vanona eto Madagasikara raha tsy misy ny lalana azo ifamezivezena malalaka. Tadidin’ny maro ihany koa  fa ny minisitra tompon’andraikitra amin’izao fotoana , izany hoe ny minisitry ny asa vaventy  atoa Roland Ratsiraka  no anisan’ny nanakiana mafy ny fitondrana  tamin’izany  raha nisy ny fanamboarana ny lalan’i  Toamasina iny. Ankehitriny, samy niaiky ny rehetra fa dia tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana ny lalana eto Madagasikara. Ny filoham-pirenena am-perinasa aza moa dia nilaza ampahibemaso omaly fa tena ilaina ny lalana ary diso ilay fitenenana fa hoe ny lalana tsy mahavoky. Nilaza hatrany ny tenany fa tsy maintsy hatomboka ny fanamboarana ny lalana rehetra eto Madagasikara anisan’izany ny RN9, RN13 ary ny RN12. Raha tsorina ny resaka dia ny fandaharanasan’i Marc Ravalomanana ihany no mody namboarina sy nokitihana kely ary ampiharina amin’izao fotoana.Efa mazava rahateo ny resaka a ny fitodrana Ravalomanana no nahavita nikojakoja sy nanamboatra lalana baetsaka indrindra tamin’ny tantaran’i Madagasikara, satria tao anatin’ny 6 taona dia lalana 10 000 km no vita tamin’ny 13 000 km fanamby napetraka.Asa goavana vavolombelon’izany ny lalana mampitohy an’Antananarivo amin’Antsiranana (RN 4 sy RN 6).

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT