Politique

Kongresin’ny HVM Mbola niverina ireo fomba mamohehatra


  • Zoma 26 Desambra 2014

Tanteraka teto Antananarivo ny 19 sy 20 desambra 2014 teo ny kongresy nasionalin’ny Hery Vaovao ho an’i Madagasikara. Roa andro izay nanaporofoan’ity antokom-panjakana ity indray ireo fihetsika maro isan-karazany sokajiana ho mamohehatra amin’ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara

Voalohany amin’izany ny fahitana ireo mpanao politika mpikaraman’ady mpamadika palitao noho ny fitadiavan-tseza sy fiarovana ireo tombontsoan’ny tena. Maro amin’ireo mpikatroka ao amin’ny HVM mantsy no efa endrika fahita tao amin’ireo antokon’ny mpitondra fanjakana tao anatin’ireo Repoblika 4 nifandimby teto amin’ny firenena. Tranga heno sy re tetsy sy teroa ihany koa ny fampiasam-bola sy fanambatambazana samihafa ireo olona nasaina nanatrika ny fihaonana teny Andranomena. Ny zava-nisy sy nitranga teto an-drenivohitra sy ny manodidina ohatra efa ho andro maromaro izay dia ny fampivoriana ireo olona tena sahirana teny anivon’ireo fokontany ifotony izay nosandaina vola. Ho an’ireo mpikambana avy any amin’ny faritra moa dia iaraha-mahalala ny fitaomana azy ireo niainga tany amin’ny toerana fiaviany isanisany tamin’ny alalan’ireo fiara mpitatitra olona. Fihetsika iray hafa mamoafady ihany koa ny nahafantarana fa nisy ny teritery madinidinika sy ny ramatahora nihatra tamin’ireo sefo fokontany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT