Politique

KOMITY MIARO AN’I « DADA » Tsy meloka ny filoha Ravalomanana ka avelao hody


  • Zoma 12 Desambra 2014

Nanao hetsika ho fampitam-baovao mikasika ny « famerenana an-dRavalomanana eny an-tranony ao Faravohitra », ireo komity manohana ny fampodiana an’i Dada sy ireo komity ho famerenana an-dRavalomanana any an-tranony ny alarobia tolakandro teo, tao Ambodisoanambo Anjoma.

Nandritra izany no nilazan’ireo mpanohana ny filoha Ravalomanana Toamasina ireto, fa « tsy meloka ny filoha Ravalomanana ka tsy hitanay ny hanagadrana azy any Antsiranana. Nanatanteraka ny tondrozotra tsy notanterahana izy sy tena vonona amin’ny fampihavanam-pirenena marina ary vonona ny hifanome tanana amin’ny malagasy amin’ny fanondrotana ny firenena latsaka an-kady izao ». Nohamafisin’izy ireo fa « tsy matahotra fitsarana ny filoha Ravalomanana sy izahay mpanohana azy, fa ataovy fitsarana tena mahefa sy fitsarana tena mijoro amin’ny marina no hitsarana azy. Nefa matoa na fanadihadiana aza tsy natao sy tsy vita mikasika ny raharaha hanenjehan’ny fanjakana HVM azy hatramin’izao, dia antontan-taratasy foronina fotsiny no tiana hanenjehana azy, fa manana ny fahamarinany Atoa Ravalomanana ka manelingelina ny mpitondra ».

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT