Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny dia nanome hafatra amin’ny maha raiamandreny azy ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy.
Antom-pisian’ny CFM, hoy ny filoha lefitra, Gérard Ramamimampionona, ny fiainana ny soatoavina malagasy. Mila mahatsiaro tena fa samy Malagasy isika ka tsy tokony hifamono. Tsy mifanavakavaka na mifanambany ary mila mifameno. Ny fifanajana ao anatin’ny fahasamihafan’ny hevitra dia zavatra goavana be mila apetraka amin’ny toe-draharaha toy izao. Zava-masina ny teny ka tsy tokony hifanaraby isika. Ataovy anaty filaminana ny fanehoan-kevitra ary ataovy manaraka ny lalàna. Tokony hirazotra ny fitadiavana fahamarinana sy ara-dalàna. Samy tompon’andraikitra amin’ny fikorontanana sy fametrahana filaminana eto isika, hoy ny CFM.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.