Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny dia nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny avy eo anivon’ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM.
Be, hoy izy ireo, ny vaovao mifamoivoy ankehitriny. Tsy hahasoa ny firenentsika anefa izany. Miantso ny Malagasy rehetra mba hitandrina ny soatoavina dia ny fihavanana ity rafitra ity manoloana ny zava-misy rehetra ary miantso ireo mpisehatra politika mba hahay hifandamina.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.