Miitatra toy ny sima misioka ny raharaha Alain Ramaroson filohan’ny antoko Masters no sady filohan’ny komity nasionaly mitaky ny famerenana ireo manodidina an’ i Madagasikara “ îles éparses “.
Taorian’ny nisamborana azy ny sabotsy lasa teo ary dia manameloka tanteraka ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana sy ny mpitandro filaminana ny birao sy ny komity nasionaly mitaky ny fiverenan’ny “ îles éparses “. Miantso ny sampana mpiaro ny zon’olombelona eo anivon’ny vondrona iraisam-pirenena ihany koa ity komity ity hijery akaiky ny raharaha. Amin’ny anaran’ny fampihavanam-pirenena dia mitaky amin’ny fanjakana ihany koa ny komity nasionaly mba hamotsorana an’Atoa Alain Ramaroson tsy misy hatak’andro.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.