Niandry ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Hery an-tanindrazana avy namonjy ny fivoriambe faha-70 ny Firenena Mikambana tany New York ny filohan’ny Delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, kolonely Ramiaramanana Joseph vao niroso nanao famindran-draharaha tamin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, omaly.
Naharitra herinandro ny fangala-piery tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Niafina tao ambadiky ny tsy fahazoany taratasy mampahafantatra azy ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana izy ; didy izay efa nivoaka tamin’ny 18 septambra 2015 nefa aty amin’ny 5 oktobra 2015 tsy mbola voaray, ny Fitsarana sy ny minisiteran’ny Atitany izay nilaza handray an-tanana io fampahafantarana io anefa zara raha misy 200 metatra no manelanelana azy, amin’izay koa eto Antananarivo ny Kaominina resahina. F’izay ve no tena tao ambadik’iny fandaniana andro miendrika fanosihosena ny safidim-bahoaka iny tsy nanaovana famindram-pahefana iny sa adivarotra toerana aorian’ny fialany ? Misy mantsy loharanom-baovao milaza fa tao amin’ny Kaominina ingahy PDS no miketrika ny hahazo galona jeneraly. Raha izany, tsy mendrika kokoa ho azy ve aloha ny alefa mitari-tafika any amin’ny “opération Fahalemana” mampandry tany ? Amin’izay moramora ho azy ny miakatra galona raha mahazo vokatra tsara, izy rahateo toa te hampiseho fa hentitra sy manaja lalàna ka mila ny traikefany any. Ny tafika rahateo no anisan’ny deparatemanta mandany volam-panjakana aorian’ny fampianarana, ka tokony hampiasaina amin’ny iraka voalohany tokony hataony ny tafika dia ny fiarovana, fa tsy hameno toerana any amin’ny asan’ny olom-boafidy sy administratera sivily niofana ho amin’izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.