Malalaka tanteraka amin’ny fanaovana politika ny kolonely Faharo Ratsimbalson, taorian’ny nandehanany nisotro ronono teo anivon’ny tafika Malagasy, nanomboka tamin’ny 31 janoary 2015
. Nikasa hirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Sorombo niaviany, any amin’ny Distrikan’i Manakara i Faharo, saingy nihemotra. Nambarany fa “tsy hiditra amin’io lalao maloto io aho, ary tsy hanao sorona ny tanàna nahalatsahan’ny tavoniko ka aleoko aloha mitazana amin’ity indray mitoraka ity”. “Tsy manakana ahy handray andraikitra anefa izany”, hoy i kolonely Faharo Ratsimbalson. Marihina fa ity farany dia anisan’ireo kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2013.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.