Tafahaona teny amin’ny CCI Ivato nandritra ny dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena ny kolonely Charles Andrianasoavina sy ny filoha nasionalin’ny antoko MFM Manandafy Rakotonirina
. Niresaka tsara tahaka ny mpirahalahy ny roa tonta ary tsy hita taratra teny amin’ny endrik’izy ireo intsony ny fifanandrinana sy ny gidragidra tamin’ny 2009-2010. Ny komanda Charles Andrianasoavina tokoa mantsy tamin’izany fotoana no nanao fihetsika mahery nisambotra an’Atoa Manandafy Rakotonirina sy ireo mpiara-dia aminy tao amin’ny hotely Carlton Anosy ary nisintona azy tamin’ny vozon’akanjony. Mbola izy ihany koa no nitratrevatreva tamin’ingahy Manandafy teny amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato ka saika hanafay azy, araka ny fomba fiteniny tamin’izany fotoana. Efa lasa tokoa ny zavatra taloha ary zava-baovao no mila banjinina ankehitriny amin’ny alalan’ny fampihavanam-pirenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.