Nahataitra ny maro tamin'ireo sivily sy miaramila tonga teny Anosivavaka, ny alakamisy 29 janoary teo tamin'ny fitsapana alahelo ireo fianakavian'ny kolonely Vongo Marcelin ny nahita ny kolonely Charles Andrianasoavina sy Lylison Réné de Roland toa tsy nifankahalala. Izy ireo izay samy lehiben'ny FIS sy andiany iray mihira faha-19 nivoaka tao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe.
Lasa ny kolonely Lylison
Lasa tsy nanatrika ny famangian'ireo andiany iray mihira aminy ny kolonely Lylison noho ny antony tsy fantatra minitra vitsy taorian'ny nahatongavan'ny lietna-kolonely Charles. Efa tonga nialoha tao amin'ilay trano nisy ny fahoriana ny kolonely Lylison tamin'io alakamisy hariva io. Rehefa tonga ny kolonely Charles dia nifampiarahaba taminy avokoa ireo manamboninahitra sy mpiasa sivily eo anivon'ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena sy ny Etamazaoro jeneralin'ny tafika. Toy izany koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ireo jeneraly maromaro tonga teny an-toerana. Nahavariana anefa fa tsy mba nifampiarahaba ireto lehiben'ny FIS teo aloha tamin'ny Tetezamita ireto. Nandeha ny resaka teo amin'ireo samy manamboninahitra nifanontany ny amin'izay mety ho anton'izany. Nisy ireo nilaza fa disadisa teo amin'izy ireo tao amin'ny FIS no nahatonga izany. Niitatra tamin'ny filazana fa nikasa ny haka ny lapan'Ambohitsorohitra ny litena kolonely Charles izany ka tsy tafiditra tao intsony ny tenany, ny tapaky ny taona 2010. Nitohy tamin'ny fisamboran'ny kolonely Lylison ny tariky lietna-kolonely Charles teny amin'ny Bani ny volana novambra.
2010 io.
Nifanditra matetika
Na samy mbola nanohana an'i Andry Rajoelina aza ireo manamboninahitra roa ireo dia efa tsy nitovy hevitra sy matetika no saika nifandona. Nisy ny fanelanelanana hampihaona azy ireo nataon'ny jeneraly CamilleVital fony izy mbola praiminisitra saingy tsy nahomby. Nanandrana nampihavana ihany koa ny andiany iray mihira amin'izy ireo faha-19 saingy niala maina. Vao mainka niha nitombo ny halalin'ny hantsana nampisaraka azy ireo rehefa narary nitsabo tena tany La Réunion ny kolonely Charles. Izy izay nilaza zava-miafina betsaka tamin'ny horonantsary tamin'izany toy ny raharaha 7 febroary, ny raharaha BANI sy momba ireo asa fakana an-keriny karana teto amin'ny firenena.
Mbola tantara mitohy ny azy mirahalahy ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.