Politique

Kolonely Charles Mitady izay namono azy ny fianakaviany


  • Zoma 08 Mey 2015

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny fianakavian’ny Kolonely Charles Andianasoavina. Nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo omaly ary nanamafy fa raisin’ny fianakaviana, omban’ireo olobe toy ny

 

Ampanjaka avy any Vatovavy Fitovinany an-tanana ity raharaha ity. “Mitady izay namono ny Kolonely Charles Andrianasoavina” izahay fianakaviana, hoy Ratovonindrina Charlot rahalahiny. “Harahinay fametrahana fitoriana eo anivon’ny Fitsarana izany”, hoy ity farany nanamafy. Maro loatra ny zavatra nihatra tamin’ny havanay, ary tena mafy taminay ny zava-nanjo azy ka saika namoizany aina tany am-ponja tamin’ny desambra 2011 sy nandritra ny nitsaboana azy tany amin’ny nosy La Réunion hatramin’ny 2014 ka tsy hipetra-potsiny amin’izao ny fianakaviana. Amin’ny maha olombelona nofo sy ra dia mbola maratra ny fon’ny kolonely Charles, hoy Ratovonindrina Charlot ary rariny loatra raha nisy ny antso nataony tamin’izay rehetra tompon’antoka tamin’ny fikasana hamono azy hifona aminy araka ny 4F (Fieken-keloka, Fibebahana, Fahamarinana, Fihavanana) an’ny FFKM amin’izao dingan’ny fampihavanam-pirenena izao. “Tsy vitavita amin’izao eny an-dalambe izany fa atao manaraka ny soatoavina Malagasy, atrehina raiamandreny sy olobe”, hoy i Charlot. Tafiditra anatin’izany ny raharahany amin’ny jeneraly Camille Vital, hoy ity farany, izay nampahatsiahy fa raha tonga tany La Réunion i Camille Vital tamin’ny 22 desambra 2011 dia niangavy sy nitalaho mafy tamin’ny dokotera nitsabo an’ny kolonely Charles mba hahazo hitsidika an’ity farany fa izy no naha praiminisitra azy. Tao anatin’ny aretina mafy, tsy mahatsiaro saina i kolonely Charles tamin’io. “Mahagaga anefa, hoy i Charlot, fa “tamin’ny fotoana naha praiminisitra an’i Camille Vital indrindra anie no nisamborana tamin-kery an-dry kolonely Charles sy nampidirana am-ponja azy ireo tany Tsiafahy, dia ireny niaraha-nahita ireny ny tohiny fa saika maty tany ny havanay ka tsy ataonay ho vitavita fotsiny izany”.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT