Politique

Kolonely Charles Andrianasoavina Ho avy ato anatin’ny 24 ora


  • Talata 13 Janoary 2015

Tapa-kevitra ny hody an-tanindrazana ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina. “Talata na alarobia izy no higadona an-tanindrazana”, hoy ireo namana akaiky azy.

Anisan’ireo gadra politika andiany voalohany nahazo famotsoran-keloka avy amin’ny filohan’ny Repoblika araka ny didim-panjakana  2014-1941 tamin’ny 24 desambra 2014 ity manamboninahitra avy amin’ny andiany faha-19 nivoaka tao amin’ny Akademia miaramila Antsirabe ity. Ny raharaha BANI tamin’ny 17 novambra 2010 no nisamborana ka nanamelohan’ny fitondran’i Andry Rajoelina azy hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny. Narary mafy tany am-ponjan’i Tsiafahy izy ary telo taona lasa izay no nandefasana azy nitsabo tena atsy La Réunion. Taorian’ny nandrenesany fa hovotsorana ireo gadra politika no efa nilaza i Kolonely Charles fa hiverina an-tanindrazana, mialoha ny faran’ny volana janoary 2015. Niandry ho azo teo am-pelatanana ny taratasy manaporofo fa nahazo famotsoran-keloka izy taorian’izay, ary dia izao fantatra fa ho avy ato anatin’ny 24 ora izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT